Actualités

Taratasy voarain'ny Filoha Avy any Frantsa kay !


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Ny 8 aprily no nilaza ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina fa nisy ny taratasy voarainy ny 24 martsa maneho fa manana fanefitra hahafana mandresy ny coronavirus i Madagasikara.

 

 

 

Tsy nilaza mihitsy ny mombamomba ny olona nandefa io taratasy i Andry Rajoelina, fa kosa naneho fa ny fankatoavany no andrasan’ny mpandefa ny taratasy. Avy amin’i Lucile Cornet-Vernet, mpamorina sady Filoha lefitry ny “Maison de l’Artemisia” any Frantsa ilay taratasy. Io Maison de l’Artemisia io dia fantatra tamin’ny resaka ady amin’ny tazomoka tamin’ny alalan’ny fampiasana ity zava-maniry ity. I Chine dia nampiasa ny Artemisia hisorohana, hanatsaharana, ary hisakanana ny fipariahan’ny covid-19, araka ny revue scientifique nivoaka tany Chine ny 13 martsa, hoy i Lucille Cornet ao amin’ny taratasiny. Manana tombony i Afrika amin’ny hahafahana manao fandalinana ara-pitsaboana na “étude Clinique” ao anatin’ny roa herinandro, raha ny voalazan'ilay hafatra. Nalefa niaraka tamin’izany ny paipaika na ny “protocole” izay nambara fa efa ao anatin’ny fanatanterahana ny “étude clinique” any Frantsa. Nambara tao anatin’izay fa ny Artemisia dia heverina ho isan’ny singa hahafaha-misoroka sy mitsabo ny coronavirus noho izy efa nahomby tamin’ny ady amin’ny tazomoka, ary nampiasain’ny sinoa nanomboka tany amin’ny fanombohan’ny coronavirus ny faramparan’ny taona 2019. Ny faharefoan’i Afrika sy ny krizy mafy mamely izao tontolo izao no isan’ny namporisihana amin’io hanaovana andrana haingana io. Ireo Ministeran’ny fahasalamana rehetra taty Afrika dia nandefasana io taratasy io avokoa, raha ny nambaran’i Lucile Cornet-Vernet. Nanaiky hatramin’ny hanaovana “essai clinique” mifototra amin’ny Artemisia avokoa ny ankamaroany, ka isan’izany i Madagasikara, Rwanda, Côte d’Ivoire,… Ny an’i Madagasikara, dia iny efa nambaran’ny Filoha Rajoelina iny ny fahombiazany. Na tsy mbola nankatoavin'ny OMS aza, dia mety ho azo heverina ihany ny haha lasa iraisam-pirenena ilay fanafody, fa ny endriny sy ny fomba hampiasana azy no mety hisy fanatsarana miandalana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT