Tetikasa iarahan’ireo mpankafy ny taranja matematika manatontosa ny tetikasa « Matematika pour tous ». Antony, raha ny fanazavana, dia noho ny fahitana fa mihena dia mihena ny tanora liana amin’izy io amin’izao vaninandro iainantsika izao.
Azo heritreretina ve anefa, hoy izy ireo, ny hiheritreritra an’i Madagasikara hoe handroso indray androana raha toa ka tsy hisy siantifika sy injeniera ? Mamaly izany fanontaniana izany angamba ny maha zava-dehibe ny siansa sy ny teknika any amin’ireo firenena mpikamban’ny G7 sy G20 eto ambonin’ny tany. Ho fanampiana ireo tanora sy mpianatra na eny amin’ny kolejy na lisea na oniversite mba hampiakatra ny lentan’ny fahaizan’izy ireny matematika noho izany dia nanokatra fiaraha-miasa amin’ireo mpampianatra ity taranja ity hampianarana maimaim-poana ireo tanora manomboka ao anaty tambazotran-tserasera ka hatramin’ireo toerana rehetra hahafahana mampita izany ity tetikasa ity, hoy hatrany ny fanazavana. Tanjona ny hahatafatsangana trano famakiam-boky manokana mialohan’ny taona 2021, hoy ny mpikarakara. Ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 dia vina hapetraka ny hikarakarana lahadinika handraisan’ireo mpianatra mahay indrindra tafavoaka ao anatin’izao tetikasa izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.