Tapitra tanteraka

ny fihainoan’ny Fitsarana


  • Zoma 11 Septambra 2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Nifarana omaly alakamisy 10 septamnbra ny adihevitra momba ny fangatahana fahafahana vonjimaikan’i Mamy Ravatomanga, teo anoloan’ny BRC (Bail and Remand Court) atsy Maurice. Tapitra tanteraka ny fakana am-bavany sy fihainoana ireo voakasika, ka ny mpitsara Mohammad Ilfaaz Farook Nathire no hanambara ny didim-pitsarana amin’ny 12 Oktobra 2026. Nandritra ny fotoam-pitsarana, samy nametraka ny lahateniny an-tsoratra ny mpisolovava roa tonta. Nanambara ny Me Khushal Lobine, mpisolovava an’i Ravatomanga fa tsy ara-drariny ny fitazonana azy am-ponja hatramin’ny nisamborana azy, ary hatramin’izao dia tsy mbola nisy fivoarana mazava tamin’ny raharaha. Etsy ankilany, Me Trishul Naga, solontenan’ny FCC (Financial Crimes Commission), nanamafy fa misy ny risika handosiran’i Ravatomanga, ny mety hanakorontanany vavolombelona, ary ny fanodikodinana porofo, ka tsy azo heverina ho ahiahy fotsiny izany. Marihina fa nandà hatramin’ny farany ny fiampangana azy i Mamy Ravatomanga ny alarobia teo, toy ny raharaha boaderozy izay nanizingizinany fa tsy mpanao trafika izy, ary efa nohafahan’ny Fitsarana ara-bola na ny PNF Frantsay, nilaza fa mpampiasa vola fa tsy mpanao afera maizina,… Herintaona katroka taorian’ny nigadonany tao Maurice tamin’ny alalan’ny fiaramanidiny manokana niaraka tamin’ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, izay niala teto sy nihodinkodina saika hipetraka tao La Réunion avy Maurice ny alin’ny 11 oktobra sy ny marainan’ny 12 oktobra 2025 izany no hivaly ny fangatahany fahafahana arahina anto-bola. Tsiahivina fa nosamborin’ny FCC tamin’ny 24 Oktobra 2025 ary mbola voafonja ao amin’ny fonjan’i Melrose IZY. Miatrika fiampangana vonjimaika roa momba ny famotsiam-bola na « blanchiment d’argent » sy iray momba ny « entente délictueuse » fifanarahana maizina izy, izay voalaza fa nitranga tamin’ny 14 sy 24 Oktobra 2025. Ny vola voakasika dia ahitana Rs 6,45 miliara (eo amin’ny 6 450 miliara Ariary) tao amin’ny orinasa tantaniny sy Rs 858 tapitrisa (eo amin’ny 858 miliara Ariary) tao amin’ny kaontiny manokana. Navoaka ny didy criminal attachment amin’ireo kaontiny sy ny an’ny orinasa, mitentina Rs 7,3 miliara (eo amin’ny 7 300 miliara Ariary),... Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana amin’ny volana Oktobra no hanamarika dingana vaovao amin’ity raharaha goavana ity. Kely ny herijika manoloana ireo dosie izay mbola misy hafa miandry saingy asa aloha izay ho valiny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT