Mafotaka ny fitadiavana taksibrosy mody eto an-drenivohitra amin’izao fihafaran’ny fialan-tsasatra lehibe izao ho an’ireo mpiala sasatra mbola tavela any amin’ny faritra.
Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia enina andro mialohan’ny hiaingana any amin’ilay toerana dia efa manao famandrihan-toerana ny mpandeha iray raha tsy izany dia tsy mahazo fiara hodiana mihitsy. Ho an’ireo tsara vintana dia tonga soa aman-tsara ihany izy ireny. Ho an’ireo sendra ireo koperativa fotaka kosa dia misy amin’ny fotoana farany vao hilazany fa simba ny fiarany ka asainy mitady fiara hafa indray ilay mpandeha no sady averiny ny saran-dalany. Tsy vitsy ireo velon-taraina noho izany na ireo avy any Toamasina na ireo avy any Mahajanga. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia misy mampiakatra saran-dalana mihitsy ireo taksibrosy ireo ka ho an’ireo tsy manana fahafahana ny handoa izany dia tsy maintsy miandry ny rariny. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra mba tsy hifanararaotra tahaka izany. Lasa ny samy madinika indray no mifamono raha tokony hifanampy sy hifanohana.
Pati
Legende : Mampifilafila mihitsy ny taksibrosy avy any amin’ny faritra miazo an’Antananarivo amin’izao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.