Actualités

Tapitra ny dia an-tongotra lavareny Hianatra amin’izay ireo zanak’i Zoto


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020


 

 

 

Tapitra ny fihodinana an’i Madagasikara. Efa any Antsiranana ry Zoto, efa-mianaka ankehitriny. Hiatrika ny fiainana amin’izay. Hiditra an-tsekoly ihany koa ireo zanany telo mirahalahy. Naka an'ireo zanany telo lahy ireo hampidirina hianatra no anton'iny dia an-tongotra aman'arivony kilometatra nataon'izy dimy mianaka iny. Nopaohin’ny fahafatesana tao Mahajanga ny volana jona 2020, nandritra ny dia avy any Manakara hiverina any Antsiranana i Alphonsine, vadin’i Zoto. Tsy nahakivy azy efa-mianaka izany, fa nanohy ny dia hatrany izy ireo ka tonga ao Antsiranana. Izay tokoa ilay hoe : « Tsy misy mafy tsy laitry ny Zoto ! ». Maro ireo Malagasy, tsy ny teto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, no nanao fitia tsy mba hetra nanohana ity fianakaviana kely ity, na vatsy nandritra ny dia an-tongotra na tamin’ny fandehanana fiara tamin’ireo ampahan-dalana sasany noho ny tsy fandriampahalemana sy fisorohana ny ara-pahasalamana nanoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus. Tsy vitsy koa ireo nanohana mba hahazoan’ireto zanany ireo fitaovam-pianarana, hidirany an-tsekoly amin’ity herinandro ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT