* Nitotongana ny vokam-panadinana BEPC tany amin’ny fari-piadidim-pampianarana Ambatondrazaka tamin’ity. Tamin’ireo mpiadina 5600 mianadahy dia ny 39% ihany no afaka sy nahazo ny diplaoma BEPC. Nihena io vokatra io raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa. Ny valim-panadinana hidirana ao amin’ny kilasy taona fahafolo izany sisa andrasana fa ho an’ireo tsy afaka dia miandry amin’ny taom-pianarana vaovao indray.
* Nifarana omaly ny Fier-Mada andiany faha-16 izay notanterahana teny amin’ny tany malalaky ny kolejy Masindahy Misely Amparibe. Nahaliana ny mpitsidika ny fampirantiana sy varotra naroson’ireo mpandray anjara 280 nandritra ny 5 andro, indrindra ireo vokatry ny tany sy ny sakafo.
* Ireo mpampianatra niofana avy amin’ny «Ecole Normale Supérieure» no tokony horaisina ho mpiasam-panjakana voalohany, araka ny hevitry ny sendika misolotena azy ireo. Maro amin’izy ireo mantsy no mbola mpampianatra FRAM ankehitriny.
* Nahomby amin’ny ampahany ny «Opération coup d’arrêt» ho an’ny solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ankazoabo Atsimo, Mara Niarisy. Nilamina nandritra ny iray volana nisian’ny hetsika mantsy ny any an-toerana. Efa miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemena sy ny halatr’omby sahady ny mponina, araka ny fanazavan’ny depiote.
* Maro amin’ireo ray aman-dreny no miomana sahady amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana 2014-2015. Laharam-pahamahena amin’izany ny fividianana tsikelikely ireo kojakojam-pianarana. Sandaina 25.000 hatrany amin’ny 60.000 Ariary ohatra ny kitapo iray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.