Actualités

Tapatapany


  • Zoma 05 Martsa 2010

...

Atrikasa HAT : tsy nanatrika ny teny ifampierana, izay atrikasa karakarain’ny HAT eny Ivato nanomboka omaly ny avy ao amin’ireo ankolafy 3 : Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert.
 
Ny Hasina : anisan’ireo vahiny nasaina ka tonga teny Ivato nanatrika ny atrikasa, teny ifampierana i Ny Hasina Andriamanjato, praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny teo aloha.
 
CUA : niova teknika indray amin’ny fanenjehana ireo mpivarotra amoron-dalana ny mpiasan’ny kaominina eto Antananarivo renivohitra ka tsy mampiasa ireo fiara be intsony, fa mitaingina mini bus indray.
 
Ankatso : mitaky ny hampiakarana hatramin’ny 50% ny vatsim-pianarana ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Ankatso. Ho avy ny fitokonana raha tsy misy ny valiny mahafa-po avy amin’ny mpitondra.
 
 Monja Roindefo : mieritreritra ny hanatanteraka fihaonambem-pirenena hanasana ireo ankolafy rehetra atsy ho atsy i Monja Roindefo araka ny filazan’ny mpiara-miasa akaiky aminy.
 
Andry Rajoelina : araka ny tsiliantsofina re dia tsy hanatrika ny fivoriana any Addis Abeba manomboka ny alatsinainy ho avy izao i Andry Rajoelina.
 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT