Feno mpampanofa vatana indray ankehitriny eny amin’ny manodidina ny Lapan’ny tanàna Analakely rehefa amin’ny alina. Enim-bolana lasa anefa, vao nandray ny asany ny ekipan’ny delegasiona manokana dia nanao bemidina nanala ireo mpivarotena mijorojoro amin’ny sisin-dalana teo Analakely sy Tsaralalana ny polisy nasionaly sy ny avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Manomana ny fandraisana ny filoha Marc Ravalomanana ny ao amin’ny Magro Behoririka. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny asa fanadiovana sy fanatsarana tao an-kianja nataon’ny zanak’i Dada.
Tsy manana diplaoma afa-tsy CEPE ny 2000 amin’ireo mpampianatra FRAM. Tsy mety hiasa any amin’ireo faritra mena anefa ireo manana diplaoma ka izy ireo no tena misahana ny asa fampianarana amin’ireny toerana anjakan’ny asan-dahalo ireny.
Tsy nihemotra fa dia nanatanteraka hetsika teny Andraharo faritra misy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana ny Otrikafo sy ny “Front pour la Libération Nationale”, sady nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy madinika «iles éparses» bodoin’ny frantsay.
Raha tsy misy ny fiovana dia hivoaka amin’ny faran’ny herinandro izao ny voka-panadinana bakalorea. Ao anatin’ny fanamarinana farany ny tompon’andraikitra mialoha ny “délibération”. Herinandro hampitaintaina ireo mpiadina, araka izany, ity diavina ity.
Eny amin’ny Coliséum ny Oktoberfest amin’ity. Ny 5 oktobra 2014 ho avy izao no hankalazana ity fetin’ny labiera fanaon-dry zareo Alemana ary manomboka mahazo vahana eto Madagasikara nandritra ny taona vitsivitsy izao.
Tafita tamin’ny dingana voalohany ny 80%-n’ireo mpianatra nanaraka «cours» tao amin’ny CAES (Cours d’Appui pour les Etudes Supérieures) etsy Ankazotokana Ambanidia niatrika fanadinana handraisana ho mpitsara. Manomana ny fiatrehana ny dingana faharoa izy ireo manomboka anio.
Avy hatrany dia havantana ao amin’ny hopitaly manara-penitra harahi-maso ara-pahasalamana izay olona ahiahiana hitondra tsimokaretina “Ebola” tonga eto Madagasikara. «Ambulance” manokana no hitondrana azy avy eny Ivato mankeny Andohatapenaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.