Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Nanatrika ny fikaonan-dohampirenen ‘ny holafitry ny mpisolovava teny amin’ny hotely Carlton ny filoham-pirenena omaly. Rehefa nitsangana hiteny ny filoha dia nidina tanteraka ny trano tao amin’ny Ravinala . Ny nahatsikaiky dia tsy tafiditra hatramin’ireo tompon’ny lanonana izay nisy fotoana nahatara azy.

Tsy misy fiantraikany amin’ny zotra anatiny sy ny zotran’ny Air Madagascar mankany ivelany ny fitokonan’ny mpiasa ao amin’ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity araka ny nambaran’ny sendikan’ny mpiasa.

Hametraka masoivoho eto Madagasikara ny fikambanan’ny Frankôfônia, ary ho fantatra amin’ny volana novambra ho avy izao ny fanapahan-kevitra farany raha afaka hampiantrano ny fihaonana an-tampn’ny OIF ihany na tsia i Madagasikara. Izay no nisongadina nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo delegasionina mafonjan’ny OIF notarihan’Atoa Clément Duhaine omaly teny Iavoloha.Noresahana ihany koa ny famerenana amin’ny laoniny indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Efa ela aho no nanomboka ny fampihavanam-pirenena tamin’ny alalan’ny fihaonana maro samihafa sy ny fakàna ny hevitry ny rehetra ary ny fandravonana izany, hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin’ny Carlton

Hatao ny sabotsy maraina ho avy izao eny amin’ny sekoly ENS fampiofanana ho mpampianatra ambaratonga fahatelo ny batemin’ireo vao afa-panadinana 2014. Fanao isan-taona ka ny zokiny no manao ny batemy. Karazana sedra amin’ny zavatra atao izy io.

Sahirana ny mponina any Atsimo atsinanana ankehitriny. Ny any Vangaindrano, Farafangana, Vohipeno, Manakara iny, ohatra, dia maro ny olona no sahirana ara-pivelomana nefa ny asa tsy misy, ny ankizy maro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT