Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 09 Aogositra 2014

* Ny Kongresy amerikana no tompon’ny teny farany amin’ny fanalavana ny fe-potoana momba ny AGOA nangatahan’ireo filoham-panjakana afrikana, hoy ny filoha amerikana Barrack Obama.

* Tsy miombon-kevitra amin’ny fanjakana ny SEKRIMA amin’ny fampandoavan-ketra ireo mpiasa mikarama latsaky ny 250.000 Ariary. Mila dinihana lalina iny fanapahan-kevitry ny fanjakana iny, hoy ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa.

* Tsy handefitra amin’ny fanasaziana ireo mpamily mandika ny lalànan’ny fifamoivoizana mifehy ny fitaterana nasionaly ny masoivoho misahana ny fitaterana an-tanety na ATT. Mila mandray andraikitra avy hatrany anefa ieo tompon’andraikitry ny kaoperativa eo am-piandrasana ny fampiharana ny sazy ka mety hampihena ny fiara miasa.

* Halavaina telo volana ny fandaharanasa fitantanana sy fampiroboroboana ny andrim-panjakana na PGDI andiany faharoa raha tokony hifarana amin’ity volana aogositra ity. Tondro 10 amin’ireo 17 na 58,82% no tantetraka ara-potoana ny volana jiona 2014. Vinavinaina hiampy 4 ireo hatramin’ny volana septambra ka ho tonga 82,35%.

* Midina ifotony mijery ireo tsena eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ireo polisy monisipaly ao amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Manitsy ireo mpivarotra amin’ny sisin-dàlana eny Andravoahangy, Behoririka, Analakely, Isotry ny ny Petite Vitesse no andraikitra sahanin’izy ireo amin’izany.

* Mpianatra kilasy faha-7 miisa 32.768 no tsy niatrika fanadinana Cepe manerana ny Nosy, hoy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nahatratra 448.436 moa ny isan’ireo kandida mpifaninana ary 70,01% ny salan’isam-pahafahana.

* Nidina 10,3% sy 4% ny vidim-bary antsinjarany vokatra avy eto an-toerana sy nafarana avy any ivelany teo anelanelan’ny volana jolay 2013 hatramin’ny jolay 2014 teo amin’ny tsena Malagasy, araka ny tarehimarika navoakan’ny Sampanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana na FAO. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT