Nanolotra solosaina ho an’ny Kaominin’i Fianarantsoa ny Madvision omaly. Nisaotra ny tolotanana nataon'ity ivontoerana ity ramatoa PDS ary nisaotra azy ireo amin’ny ezaka vitan'ny Madvision nandritra ny 10 taona nijoroany tamin’ny fanabeazana ny tanora hahay mikirakira ny solosaina. Nampanantena sy naneho fahavononana ny tenany fa hanamafy ny fiaraha-miasa.
Nahatratra 545 ny fitarainana voarain’ny Bianco Toamasina ny taona 2013. Tsy nisy afa-tsy 125 anefa no nahavitany fanadihadiana. Ny 30 no nanaovany tatitra mazava, ny 10 tamin’ireo no nalefa teny amin’ny Fitsarana ka nampidirana am-ponja vonjimaika olona roa.
Nanomboka omaly alatsinainy ny fanompoambe ao amin’ny doany Tsararano Ambony Mahajanga. Haharitra herinandro ny lanonana.
Mbola misy ireo ray aman-dreny manana olana amin’ny fiatrehan’ny zanany ny fanadinam-panjakana voalohany na ny CEPE anio. Misy mantsy ireo zaza tsy mbola nahazo ny taratasy ny taratasy fiantsoana na convocation hatramin’ny omaly hariva. Olana ara-bola no antony na miankina amin’ny fanjakana io na tsia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.