Actualités

TAPATANY


  • Talata 19 Aogositra 2014

Nofaranana tamin’ny «Mega Meeting» tetsy Antsahamanitra ka nandraisan’ny Révérend Pravi (avy any Aostralia) anjara niaraka tamin’ny Apostoly Michaël Daniel filoha, ny fihaonambe nasionalin’ny «Eglise Rhéma de Madagascar» natao teny amin’ny foibe Ambatolampy Antehiroka ny 15, 16, 17 aogositra 2014. Fiderana sy vavaka ary fanasitranana no natrehana nandritra izay telo andro izay.

 Ny viriosy no mahatonga ny olona hiova hevitra, hoy ny mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha, Mohamady Sacra, tetsy amin’ny Magro Behoririka. Ny tolona niaretan’ny rehetra dia ny fodian’ny prezidà Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary izay no tokony ho ao an-tsaina isan’andro.

In-telo  nitrangana fanafihana mitam-basy tany amin’ny Kaominina Fidirana, Distrikan’i Mandoto tato anatin’ny iray volana. Nisy ny naratra, tao ny very fananana. Miahiahy ny mponina sao misy firaisana tsikombakomba eo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana sasany.

Nahatratra 114 be izao ny isan’ireo mpiadina voasoratra anarana no tsy tonga niatrika ny fanadinana bakalôrea tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, omaly alatsinainy. Na izany aza raha araka ny fanazavan-dRandriambelomanana, lehiben’ny foibem-panadinana, dia nizotra sy nilamina araka ny tokony ho izy ny fanadinana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT