Tapany avaratry ny Nosy

Toerana maro dobo sy difotry ny rano


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Voa mafy ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy noho ny andro ratsy nateraky

ny rivodoza Jude izay mitoetra ao amin’ny lakandranon’I Mozambika, misy fiatraikany amin’ny faritra Diana, Sofia sy Sava ary Analanjirofo. Tanàna maro ny dibo-drano, misy ampahana tanàna difotra tanteraka ny trano sy fotodrafitrasa sasany, ka isan’ny tena lasibatra Ambalamanasy-Andapa, Ambinanitelo-Maroantsetra, Mananara Avaratran,... Mbola mitoetra ny fahamailoana amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy renirano ho an’ny Faritra DIANA, SAVA, SOFIA ary ANALANJIROFO. Noho io rivodoza Jude io, nahazo fampitandremana miloko mavo amin’ny fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorina ireto renirano ireto: Sofia (Distrika Port-Bergé), Sambirano (Distrika Ambanja), Antainambalana (Distrika Maroantsetra), Mananara (Distrika Mananara) sy ireo mponina amin’ny faritra mora tondraka, araka ny toromarika omaly 09 martsa tamin’ny 9ora maraina
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT