Actualités

Tapaka ny Agoa Mitady tsena any Alemaina indray ny fanjakana


  • Alakamisy 25 Febroary 2010

Rehefa tapaka ny faranny taona teo ny Agoa dia nitady mpiara-miasa vaovao hanavotana ireo mpandraharaha mpamokatra lamba nanondrana entana tany Etazonia ny fitondram-panjakana.

 

Nandefa delegasiona tany Alemaina ny minisiteran’ny varotra izay niezaka nandresy lahatra ireo mpandraharaha Alemaina nihaona taminy, handray ny entana avy aty Madagasikara. Raha ny fanazavan’Atoa Léonel, tale misahana ny varotra ivelany eo anivon’ny minisiteran’ny varotra dia  mpandraharaha alemaina am-polony no liana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny malagasy. Hisy ary ny fampihaonana ireo mpanam-bola vahiny ireto amin’ireo orinasa malagasy izay hotontosaina amin’ny tapatapaky ny volana martsa izao. Ny fihaonana izay tanterahana anio eo anivon’ny masoivoho alemaina no hamaritra ny daty sy toerana ampihaonana azy ireo raha ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity ihany. Hatreto aloha izany dia tsy misy ny zavatra tapaka saingy heverina fa hanome aina ny fandraharahana eto an-toerana ity fiaraha-miasa ity raha tanteraka. Nanazava mantsy Atoa Léonel fa tsy havesatra loatra ny resaka haba satria samy nanasonia ny fifanarahan’ny APE na ny Accord de Partenariat Economique na isika na ry zareo Alemaina. Ny APE raha tsiahivina dia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny vondrona Afrique Caraibes Pacifique sy ny vondrona Eropeanina izay manome tombondahiny antsika firenena an-dalam-pandrosoana. «  I Alemaina no nosafidiana satria aorian’ny Etazonia dia izy no firenena faharoa mpanafatra lamba be indrindra maneran-tany. Ankoatra izay dia mbola malalaka ny tsena satria tsy mahatratra 1%-n’ny entana ilain’ny firenena Alemana akory ny totalin’ny entana vokarintsika », hoy i Léonel. Aorian’ity iraka ity dia ireo mpandraharaha Frantsay sy Italiana indray no horesena lahatra.
 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT