Actualités

Taorian’ny raharaha horonam-peo Miezaka manatsara endrika ny zandary


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Misy hatrany ny fanazarantena ataon'ireo zandary lahy sy vavy miasa eo anivon'ny Hery vonjy taitran'ny

zandarimariam-pirenena na FIGN ho fiomanana manoloana ireo ambana mety hiseho sady ho fitaizam-batana sy saina ary hitazonana ny traikefa izay ananana, hoy ny serasera nataon’ny avy eo anivon’ny FIGN omaly. Nanatontosa hazakazaka lavitr'ezaka valo kilometatra (8Km) miampy vesatra folo kilao (10Kg) izy ireo omaly faha 5 aprily vao mangiran-dratsy. Namafisin'ny Kolonely lefitra voalohan'ny kaomandin'ny FIGN, izay nitarika azy ireo fa ao anaty vatana salama sy matanjaka no misy ny fahakingana sy faharanitan-tsaina ahafahana manatontosa ny iraka sahanina dia ny "fiarovana ny vahoaka sy ny fananany" sy ny "fitandroana ny fitoniam-bahoaka". Miezaka manatsara endrika, araka izany, ny zandary taorian’ireny raharaha horonam-peo mahavoakasika ny lehiben’izy ireo dia ny SEG sy ny filoham-pirenena ireny. Toa mampahatsiahy ny zava-nisy efa nitranga teo anivon’ny polisim-pirenena tamin’ny fotoan’androny ihany koa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT