Taorian’ny hiakiaka sy antso vonjiny

Nosamborina i Andry Andriatongarivo


  • Alatsinainy 13 Novambra 2023

Nanaitra ny besinimaro ny antso vonjy tamin’ny alalan’ny alalan’ny horonan-tsary

mivantana tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’i Andry Andriantongarivo vadin’ny Minisitry ny serasera teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Raha ny fanombohany dia misy mpitandro filaminana nitondra taratasy tonga hisava na hisambotra azy, saingy nanda izany izy, izay milaza ao anatin’ny kiakiaka fa tsy afaka miditra ny andaniny rehefa mbola mandà ny tompon-trano, « inviolable » ny toeram-ponenako, hoy izy. Heno anatin’ny horonan-tsary ny kiakiany sy ireo zanany izay mitaraina, misy feo heverina fa feom-basy any ivelany, ary ny atao anatiny mikiakiaka hoe : « maty ny zanako e !, ajanony ilay tir fa voa izahay, aoka izay, mifona e, aza tifirina izahay, ampirimo ilay basy aloha,… ». Hiakiaka sy tomany no mandrakotra ny horonan-tsary, talaho sy fangatahana fitserana hoe : aza vonoina izahay e ! maty ny zandriko e ! Nilaza i Andry Andriatongarivo ao anatin’ilay horonantsary fa tsy misy basy any amin’izy ireo, fa finday ny ety an-tanany. Ireo ankizy amin’io mitoreo sy mitomany, niaina tao anaty horohoro sy fijaliana. Ny andaniny kosa miteny hoe mivoaha moramora ! Tapaka moa ilay horonan-tsary, fa raha ny vaovao vonjimaika dia nosamborina tao an-tranony teny Ambatolampy Tsimahafotsy i Andry Andriatongarivo ary voatazona any amin'ny Commissariat central Tsaralalàna. Ilay raharaha mifandraika tamin'ny resaka Mr Sayda no voalaza fa anton'ny fisamborana azy, izay omaly hariva no nilazany fa hanaovany ampamoaka momba io. Raha tsiahivina, ny 06 novambra lasa teo no namoaka fampahafantarana i Andry Andriatongarivo, fa nivoaka ofisialy ny taratasy fisaraham-panambadian’izy sy ny minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy. Haiko loatra, hoy izy, io ramatoa io satria niaraka taminy aho nandritra ny 7 taona,.. Nolazainy fa olona mpamotika ny manodidina azy, mpanely tsaho sy lainga isan'andro, mpampiasa fahefam-panjakana ho an'ny tombotsoany manokana, mpamadika ny fotsy ho mainty,... ka nampanantenany fa hanaovany ampamoaka maro. Tonga izany ny valin’adin’ny ankilany ? Hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT