Actualités

Taonan’ny fianakaviana Mikarakara hetsika ny BUCAS Antanimena


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Taonan’ny fianakaviana sady taona iraisam-pirenena momba ny famokarana ataon’ny fianakaviana ity 2014 ity, ka noho izany indrindra no hanatanterahan’ny BUCAS hetsika manokana eny amin’ny foibeny eny Antanimena ny 13 sy 14 jona ho avy izao.

 Lohahevitra nosafidiana manokana mandritra izao hetsika izao ny hoe : «Fianakaviana, fototry ny fampivoarana maharitra». Kendrena amin’ity hetsika ity ny hampahafantarana ny besinimaro ny lanjan’ny fianakaviana eo amin’ny fametrahana ny fampivoarana maharitra. Hisy, araka izany, ny loabary an-dasy, fampirantiana sy fanentanana samihafa mandritra ireo andro ireo. Hasongadina manokana amin’izany ny fiahiana ara-tsakafo manoloana ny faharavan’ny toetr’andro, ny fanofanana arak’asa sy ny fanampiana ny fianakaviana hamaha ny olan’ny tsy fananana asa, ny fitantanana ny fihariana isan-tokantrano, ny fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena. Tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-piangonana, olom-boafidy, mpikatroka sosialy ary fianakaviana maro no handray anjara amin’io hetsika io. Anisan’ny hanao famelabelaran-kevitra eny Antanimena mandritra ity hetsika ity ny zoma 13 jona ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT