Hiditra an-tsehatra tanteraka amin’ny fitakian’ny mpampianatra mpikaroka ny mpianatra eny Ankatso raha sanatria ka tena tsy hisy ny vahaolan atolotry ny fanjakana amin’ny famahana ny olan’ny sendikan’ny mpamianatra mpikaroka.
« Hivory ny solontenan’ny sampam-pianarana rehetra ka hanapa-kevitra ny amin’izay hatao mba hiarovana ny zon’ny mpianatra ka mety hiafara amin’ny fametehana fe-potoana fitakiana izany na « ultimatum » raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy ao amin’ny sampana fitantanana sy toe-karena eny Ankatso.
Manoloana ny antso avo nataon’ny minisitry ny Fampianarana Ambony ny mba tsy hanaovana fitaovana politika ny mpianatra dia namaly izy ireo fa efa niandry iray volana mba hahitana vahaolana kanefa toa taona fotsy no mirangaranga ka izany no mahatonga ireo mpianatra miditra an-tsehatra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.