Taom-pitsarana 2023

Nahatratra 226 666 ny didy navoaka


  • Talata 06 Febroary 2024

Nakatona ny taom-pitsarana 2023 ary nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly

05 febroary 2024 ny taom-pitsarana 2024. Lanonam-pitsarana manetriketrika notarihan'ny Filoha Voalohany sy ny Lehiben'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana Tampony. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita ka tsikaritra tao anatin'izany fa tratra ny tanjona nokendrena tamin'ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, vokatry ny fampiharana ny paikady fanavaozana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana, hoy ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nahavita ezaka goavana ny Fitsarana satria didim-pitsarana miisa 226 666 no tafavoaka tamin'ny taom-pitsarana 2023, raha Mpitsara miisa 685 no nisahana izany, hoy hatrany ny tatitra. Nitombo avo roa heny ny asa vita teo anivon’ny Fitsarana ny taona 2023 raha oharina tamin’ny taona 2022, hoy ny Minisity ny Fitsarana. Tafakatra 52% ny tahan’ireo voafonja voatsara araka ny tatitra nataon’ny mpampanoa ambony ao amin’ny Fitsarana tampony. Nambara araka izany fa nahomby araka ny politika napetraky ny minisitera izay nampiharina manerana an’I Madagasikara indrindra ny teto Antanananarivo. Mbola misy ny ezaka ho atao hanatrarana ny fenitra iraisam-pirenena izay 70 isan-jato. Fanamby ho an’ny taom-piasana 2024 ity kosa ny hitomboan’ny ezaka, raha ny nambaran'ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ary efa misy ny asa zato andro nofaritana ho an'ny Minisiteran'ny Fitsarana. Nanotrona ny fanokafana ny taom-pitsarana 2024, ireo lehiben' ny Andrim-panjakana isan-tokony sy ny Mpikambana sasany eo anivon'ny Governemanta. Nisolotena ny Filoham-pirenena izay Filohan'ny CSM na ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara kosa ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta NTSAY Christian, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT