hanondrana 15000 taonina isika...
Kasaina hatao eo anelanelan’ny 19 novambra ka hatramin’ny 21 desambra ny taom-piotazana lodisia 2025, araka ny tetiandro nofaritan'ny CTHT (Centre Technique Horticole) ao Toamasina. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny 10 novambra tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana sy Brickaville, hita fa mandeha ara-dalàna araka ny fivoaran’ny vanim-potoana ny vokatra. Nandritra ny fanaraha-maso natao tamin’ny lodisia maherin'ny 1500 fototra lehibe, ny savaivon’ny voa dia nahatratra 27 mm, izay mifanaraka amin’ny fenitra amin’izao fotoana izao. Nanampy betsaka tamin’ny fitomboan’ny voa ny hatevin'ny rotsak'orana 38 mm sy ny fiakaran’ny maripana tsikelikely. Efa mandroso tsara ny fahamasahan'ny voa, ka manodidina ny 70 % amin’ireo voa no efa miova loko avy amin’ny maitso ho amin’ny mavo sy mavokely, raha ny tatitra, notaterin'ny fampahalalam-baovao an'habaka iray omaly. Ny fanadihadiana eny ifotony dia manamafy fa efa misy fandrosoana lehibe mankany amin’ny fahamasahana, na dia mbola misy aza ampahany kely mbola maitso. Tombanana fa ny fiotazana ho an’ny fanondranana dia afaka manomboka amin’ity herinandro ity, izay hanome antoka ny fahazoana ny habetsahana ilaina ho an’ny mpanangona sy ny mpanondrana amin’ny fanombohana ny varotra iraisam-pirenena. Na izany aza, mbola misy fanamby mitohy eo amin’ny sehatra, toy ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny filàna fanatsarana ny fitaovana fanodinana sy ny fanaraha-maso ny kalitao. Na dia eo aza izany, ny vokatra voalohany amin’ity taona 2025 ity heverina fa hahafa-po, ary manome fototra matanjaka ho an’ny fanombohana ny fiotazana sy ny fanondranana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tombanana eo amin'ny 15000 taonina ny fanondranantsika amin'ity taom-piotazana ity. Tombanana ho miainga 1000Ar/kg eny amin'ny mpamokatra, 2150Ar eny amin'ny "achat station", raha 1400Ar ny 1kg teo aloha raha ny serasera efa nataon'ny depiote Roland Ratsiraka. Tena ara-drariny ve ny elanelan'ny vidiny eny amin'ny tantsaha sy ny mpanangona ary ny mpanondrana sy any amin'ny mpanjifa any ivelany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.