Actualités

Taom-pianarana 2014-2015 Niakatra 10% ny fisoratana anarana sy saram-pianarana


  • Talata 05 Aogositra 2014

Ao anatin’ny fialantsasatra tanteraka ankehitriny ireo kilonga madinika eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Amin’ny fiandohan’ny volana oktobra 2014 any rahateo no vinavinaina hiditra ny taom-pianarana vaovao 2014-2015.

Ho an’ny sekoly tsy miankina dia efa mikarakara sahady ny fiatrehana io taom-pianarana ho avy io ny ankamaroany. Tsy vitsy amin’izy ireo tokoa mantsy ankehitriny no manomboka mandray fisoratana anarana ho an’ireo ankizy afaka manohy ny fianarany any amin’ireo sekoly andoavam-bola. Fanazavana nomen’ireo mpitantana azy ireny moa ny fitsinjovana ireo ray aman-dreny mba ahafahan’izy ireo miomana dieny izao amin’ny fiatrehana ny fividianana ireo kojakojam-pianarana ilaina mandritra ny taom-pianarana. Sady faly no sahirana moa ireo ray aman-dreny nanontaniana. Ny antony dia manana fotoana lavalava tokoa izy ireo hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra saingy ny tetibola eo am-pelatanana hiatrehana izany no tsy ampy. Vahaolana be misafidy manoloana io toe-javatra io ny findramam-bola any amin’ny banky izay manome tolotra fanampiana ireo ray aman-dreny rehefa volana aogositra sy septambra tahaka izao. Ny zava-misy aloha dia niakatra eo amin’ny 10% eo ny taham-pisoratana anarana sy ny sarany amin’ity taom-pianarana 2014-2015 ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT