Mety hisy rivodoza 2 mafy
aorian'ny tranga “El Nino”
Tombanana hatramin’ny 2 ny isan’ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana ho an’i Madagasikara ao anatin'ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2026-2027. Noho ny fiovan’ny toetrandro amin’izao anefa dia rivodoza mahery vaika iray ihany dia efa mety hiteraka voka-dratsy goavana, araka ny fampahafantarana nataon'ny Foibe Famantarana ny Toetrandro omaly. Fa hampiavaka ny vanim-potoanan'ny fahavaratra amin’ity taona ity ny tranga “El Nino” tena matanjaka, izay anisan’ny mandrafitra ny toetrandro. Ahiana noho izany ny hisian’ny tsy fahampian’ny rotsakorana sy haintany ary hafanana mihoa-pampana amin’ny tapany voalohan’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Mandritra ny tapany faharoa kosa indray dia ahiana hitarika tondradrano, na fiakaran’ny renirano mandritra ny fotoana fohy, na fihotsahan’ny tany ny habetsahan’ny rotsak'orana. Ny volana Oktobra 2026 hatramin’ny Janoary 2027, vinavinaina tsy ho ampy noho ny mahazatra ny rotsak'orana amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Anosy, Androy, Ihorombe, Boeny, Betsiboka, Melaky, Menabe, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Analamanga, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ny volana Febroary ka hatramin’ny Aprily 2027, vinavinaina ho betsaka na hifanaraka amin’ny mahazatra ny rotsak'orana any amin’ny Faritra DIANA, Sofia, SAVA, Ambatosoa, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Boeny, Melaky, Menabe, Betsiboka, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.