Teo am-panisana rakitra ny tao amin’ny fiangonana FKJM iray ao Ambatondrazaka ny alahady 10 septambra teo no taitra raha nahita vola sandoka iray alina Ariary vaovao.
Natao tao anaty valopy tsy misy anarana ny vola, ka sarotra ny namantatra ny fiaviany. Zendana hatramin’ny pasitera tao amin’ilay fitandremana. “Nahoana no dia tonga amin’izao toe-javatra izao ny zanak’olombelona, hatrany am-piangonana avy no andefasana vola sandoka”, hoy izy. Ny fandre dia eo am-pividianana zavatra na harotsaka amin’ireny MVola na Orange Money sy Airtel Money ireny no sarona ny vola sandoka. Teto izy lasa rakitra any am-piangonana. Fanahiniana sa tsy fahalalana ? Vokatr’izao fihanaky ny vola sandoka izao dia tsy mety mandray vola vaovao ny ankamaroan’ny tantsaha any Alaotra iny raha ividianana entana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.