Mitroatra ny mponina avy ao Mangabe, Amparihitody, Ilafy ary Mahatsara-Ambatondrazaka.
Tezitra izy ireo noho ny zavatra ataon’ny fianakaviana iray mitady hibodo ny tany mirefy 91 ha nitondra anarana “Firaisantsoa” izay nohajarian’ny vahoaka tao anatin’ny 72 taona. Tany misoratra amin’ny anaran’ny fikambanan’ny mponina tamin’ny taona 1945 no tadiavina halain-olon-tokana ka tsy ekenay, hoy ireo vahoaka avy amin’ireo fokontany efatra ireo. Ny mampalahelo, hoy izy ireo dia izahay efa misasatra sy lany mondron-kery indray no nambara fa mangalatra ka nampidirina am-ponja. Soa ihany fa tsy azo afenina ny marina ka afaka soamantsara ny havanay, hoy izy ireo. Miantso ny manampahefana isan’ambaratongany ireto fokonolona ireo hijery akaiky ity toe-draharaha ity.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.