Velon-taraina ny mpividy tany iray ao Mahadera Tsaramandroso, fokontany Ankiririoka atsimo, distrikan'Antsohihy, faritr'i Sofia manoloana ny fifandroritan'izy ireo sy ny zanaky tompon'ny toerana hipetrahan'izy ireo ankehitriny teo aloha.
Araka ny fanazavana dia rehefa nisara-panambadiana ireo tompon'ny tany teo aloha tamin'ny fotoan'androny dia tsy nisara-toerana lavitra fa nifanila teo ihany ka nalain-drangahy ny ampahan-tany misy efitra 2 ary ramatoa kosa nijanona tamin'ny nisy azy ireo teo aloha. Rehefa nodimandry rangahy taty aoriana dia namidin'ilay ramatoa tamin'ireto mitaraina ireto ilay tany. Ankehitriny anefa, hoy ireto efa nipetraka teo sy nanajary ny tany nandritry ny 20 taona ireto dia gaga izahay fa mitaky ny hamerenana ny tany amin'izy ireo ny zanaky ny tompon-tany teo aloha.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.