Nanazava mikasika ny antsipirihan’ny raharaha Villa Elizabeth, fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha nodimandry,
Zafy Albert, nisy namarotra tamina sehatra tsy miankina, omaly, tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina, ny teo anivon’ny komity misahana ny fampihavanam-pirenena na CRN izay natsangan’ity filoham-pirenena ity fahavelony. Gaga izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa rehefa tonga tany Betsiaka ka nahita ny taratasy manambara ny famarotana ny tany eny Ivandry hoe ahoana ity ? Nisy ny filazana fa efa nanao fifanarahana tamin’ny mpitondra fanjakana tamin’ny fotoan’androny, izany hoe, tao anatin’ny fitondrana tetezamita ny amin’ny hamarotana ny tany misy ny villa ny Profesora, hoy Tabera Randriamanantsoa, saingy tsy mino izahay satria tsy mitombona ny hoe hanaiky famarotana tany amin’ny vahiny izany ny filoha Zafy Albert. Ankoatry ny fametrahana taratasy fitoriana tany amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) moa dia niangavy ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, ny CRN mba hanafoana ity fifanarahana famarotana tany ity fa raha tsy izany dia ho entin’izy ireo mitety faritra ny taratasy manaporofo fa mpivarotra tanindrazana ny fitondrana ankehitriny. Araka ny nambaran’izy ireo moa dia teratany Karana no namarotana ilay tany eny Ivandry fa ankoatr’io dia efa katsahina teratany Sinoa ihany koa amin’izao fotoana izao ny fonenan’ny praiminisitra teo aloha, Pierrot Rajaonarivelo. Mila mifoha isika, hoy ny CRN, sao dia efa lafo tamin’ny fandalovan’ny mpanjakavavy Anglisy teto koa ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny lapan’Andafiavaratra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.