Nikorontana vao maraina ny fifamoivoizana teny amin’ny tany malalaka Bagdad omaly nanomboka tamin’ny 8 ora.
Natsivalan’ilay mpamily mampitohy an’i Vasakaosy amin’i Ivato teo amin’ny ampahan’ny arabe mantsy ny fiara mpitatitra olona mazda nentiny. Nitohana tanteraka nanomboka teo ny fifamoivoizana teny an-toerana. Vetivety dia feno olona nitangorona ihany koa ny manodidina ka sempotra tanteraka ireo polisy monisipaly sy nasionaly nandamina ny fivezivezena. Naharitra ora iray mahery vao nanapa-kevitra nanisaka ilay taxibe ny mpitandro ny filaminana.
Niafina niaraka tamin’ny «papier»
Nalain’ny polisy monisipaly iray ny taratasin’ny fiara niaraka tamin’ny fahazoan-dalana mamily ny fiaran’ilay saofera, araka ny fitantaran’ny mpanatri-maso. Tsy nanome ny «fiche» milaza ny fisintonana ny «papier» na koa «contravention» anefa ity polisy misahana ny filaminan’ny fifamoivoizana ity. Lasa avy hatrany ny tenany niafina niaraka tamin’ireo antontan-taratasy momba ilay fiara mpitatitra olona tany amin’ny trano fivoahana akaiky teo. Sosotra tamin’ny tranga nihatra taminy moa ilay mpamily ka hany heriny dia nobahany ny ampahan-dàlana manoloana ny tsena eny Bagdad. Niantso tompon’andraikitra avy ao amin’ny biraon’ny polisy eny amin’ny 67Ha ity farany ka ireo no naka ilay polisy monisipaly tao amin’ny toerana niafenany.
10.000 sy 15.000 ariary
Tranga efa mpiseho isan’andro izy ity. Fomba fanaon’ireo polisy misatroka mavo ireo ny misintona «papier» tsy manome «fiche» na «contravention», araka ny filazan’ny manodidina ka sandaina 1 alina hatramin’ny 5 arivo sy iray alina ny famerenana ireo antontan-taratasin’ny fiara eny am-pelatanan-dry zareo. Sendra ny nahay azy tokoa ireo mpanapatra fahefana natao handamina ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe, hoy ihany ny resadresaky ny olona teny an-toerana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.