Mandalo eto Madagasikara ankehitriny ary manatanteraka ny antsoiny hoe “Voyage Utile 2014” ny fikambanana teratany Malagasy mpanao asa soa TANY HARENA manana ny biraony any Parisy Frantsa ary tarihan-dRtoa Holy Andrianaivoravelona
. Fikambanana tsy manao politika, tsy mitady vola hakana tombony fa mivoy ny endrika kanto ananan’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao. Mitily ireo Malagasy manampahaizana manokana sy manana traikefa hiditra ho ambasadaoro hanandratra avo izany fahaizan’ny Malagasy izany maneran-tany. Ireo tanora indrindra indrindra no entanina hiditra ho mpikambana satria izy ireo any ivelany any dia te hanao zavatra ho an’i Madagasikara saingy tsy mahafantatra loatra ny amin’ity tanintsika ity sy ny harena tsy hita noanoa ananany amin’ny lafim-piainana rehetra mihitsy. Ny sary hitan’izy ireo amin’ireo fanadihadiana mandeha any ivelany any dia ny dokambarotry ny torapasika any amorontsiraka sy ny loko maitson’ny ambanivolo mamboly vary … na ny savorovorom-politika fifandimbisam-pitondrana lava no hitan-dry zareo amin’ny tele fa tsy fantany ny soatoavina voizin’ny fifankatiavana sy firaisankina ary fifanampian’ny samy Malagasy ary ny fankatoavana raiamandreny sy fanajana zokiolona sy ny razana. Mila rafitra mazava hanoro azy eny anivon’ny Masoivohon’i Madagasikara any ivelany any ireo tanora manampahaizantsika ireo, hoy Rtoa Holy, fa mba te hanamafy ny traikefan’izy ireo amin’ny fanaovana fiofanana (stage) aty Madagasikara. Afaka manampy ireo mpiray tanindrazana aminy hitany sy mahagaga azy fa tena sahirana izy ireo ao anatin’ny fizarana traikefa sy fanaovana asa soa tahaka ny ataon’ny Tany Harena amin’ny Centre Ny Havana mitaiza zaza sembana ankehitriny. Tany Ste Marie moa no toerana nandalovan’ny Tany Harena ao anatin’ity “Voyage Utile 2014” ity ka nanatanterahany hetsika fizarana traikefa sy nifidianana Top Model ho lasa “ambassadrice Tany Harena” maneran-tany indray dia i Harena. Ankoatra ny valandresaka fampahafantarana ny manontolon’ity fikambanana ity hatramin’ny taona 2011 niforonany ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano omaly nampahafantarana koa an’i Natacha ny Miss Union Africaine sady “ambassadrice Tany Harena dia mbola ao amin’ity toerana ity koa amin’ny zoma takariva izao no hanatanterahana ny hetsika filatroana ho fitadiavam-bola hanatevenana ny kitapom-bolan-dry zareo hodimbiasan’ny fivarotana ireo voan-dalana samihafa nentin’izy ireo avy any Andafy any ny sabotsy izao, mbola ao amin’ny Ibis ihany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.