Actualités

Tantsambo mihitsoka any an-dafy "Avelao hody an-tanindrazana izahay"


  • Zoma 17 Aprily 2020

Tantsambo Malagasy maro, miasa amin’ireo sambo an’ny kaompania MSC (Mediterranean Shipping Company)

 

 

 

, no nanao antso amin’ny « vidéo » miantefa amin’ny mpitondra fanjakana Malagasy, hanome alalana ny hahafahan’izy ireo hody aty Madagasikara. « Vonona ny hiantoka fiaramanidina hitondra anay ny kaompania iasanay, misy miainga any Eorôpa, ny sasany miainga any Brezila, ny hafa miainga any Etazonia », hoy ny fanambaran’ireo tantsambo malagasy ireo, fa « miankina ny fanomezan-dalana avy aty Madagasikara ny hidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fanatanterahana izany ». « Salama avokoa izahay, ary manao fizaham-pahasalamana tsy tapaka. Nahavita fitokana-monina efa iray volana ihany koa, ary vonona ny hanaja ny fepetra apetraka amin’ny fahatongavanay an-tanindrazana », hoy hatrany izy ireo, satria « efa mitebiteby ny fianakavianay fa ela tsy nihaona, tavela irery aty anaty sambo iasanay avy izahay. Ireo tantsambo hafa fiaviana saika efa tafody any amin’ny fireneny avy, ka manantena ny alalana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT