Actualités

Tantaran’ny fahaleovantenan’i Madagasikara Voarakitra anaty boky sy kapila mamiratra


  • Zoma 19 Jona 2015

Ho tapaka ny fifamoivoizana manodidina ny Araben’ny fahaleovantena manomboka anio 19 jona izay fotoana hisantarana ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ity taona 2015 ity.

 

Fandaharam-potoana maro isan-karazany no hita mandritra ny herinandro mahery hanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena. Anisan’izany ny fiombonam-bavaka ekiomenika karakarain’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ao amin’ny Fjkm Ambatonakanga ny 21 jona. Hisy ihany koa ny fiaraha-mivavaka izay hotontosain’ny fiangonana advantista eny Soamanandrariny ny sabotsy 20 jona sy ny mpino silamo eny amin’ny moskey 67 ha ny zoma 19 jona. Tsy ho diso anjara ireo fampisehoana an-tsehatra tahaka ny eo Analakely sy ny any amin’ireo toerana samihafa eto an-drenivohitra manomboka ny faha-22 jona. Hiparitaka manerana ireo distrika 112 kosa ny fandefasana afomanga ny harivan’ny 25 jona. Hotanterahana eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina toy ny mahazatra isan-taona ny matso ny 26 jona. Hampiavaka ny fetin’ny fahaleovantena 2015 izay mitondra ny lohahevitra «Fitiavan-tanindrazana sy Fihavanana, antoky ny fampandrosoana» moa ny fandraketana anaty boky kely sy kapila mamiratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny fahaleovantena izay hozaraina amin’ireo toerana hisian’ireo lanonana fankalazana.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT