Actualités

Tantaram-pirenen’i Madagasikara Tena manana anjara toerana goavana ny Radio


  • Talata 14 Febroary 2023

Efa mahatratra 500 ny isan’ireo onjam-peo na radio eto Madagasikara amin’izao fotoana. Ny 76 isa amin’ireo dia eto Antananarivo avokoa raha araka ny fanadihadiana natao, fitaovam-pifandraisana mbola anisan’ny be mpanaraka

indrindra noho izy hahafahana mampita vaovao haingana, manabe ary koa mampiala voly. Nankalazaina omaly alatsinainy 13 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny Radio. Loha-hevitra nampitondraina ny hetsika tamin’ity fankalazana andiany faha-12 ity ny hoe : ny radio sy ny fandriampahalemana. Nisy araka izany ny fihaonana notanterahin’ireo mpiasa eny anivon’ny radio miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tetsy amin’ny RNM Anosy omaly ka nivoitra nandritra izany fa samy resy lahatra ny rehetra fa mbola anisan’ny fitaovan-tserasera tena mandaitra sy be mpihaino ny radio na dia eo aza ny fivoaran’ny teknolojia. Anisan’ny tsy hahafoizan’ny rehetra azy ohatra ny fahafahana mihaino ireo karazana hira fahiny maro samihafa, ny fandaharana mifono fanabeazana hatolony ankoatra ny tantara izay mampiala voly nefa mifono anatra…. ihany koa. Tsiahivina moa fa Radio Antananarivo no radio voalohany teto amintsika. Izy io lasa Radio nasionaly Malagasy ankehitriny io izay raisina eo amin’ny mari-drefy 99.2.
VAVOLOMBELON’NY TANTARAM-PIRENENA
Nanamarika hatrany ny tantaram-pirenena ny Radio .Raha nitolona ny Hery velona tamin’ny 1991 – 1992 dia nipoitra ny onjam-peo tsy miankina amin’ny fanjakana voalohany dia ny Radio fenon’ny vahoaka (RFV), ary mbola mandeha hatramin’izao.Ny taona 1996 raha hiverina eo amin’ny fitondrana ny Amiraly Ratsiraka dia nalaza izany hoe Radio Tsioka Vao izany.Tonga i Marc Ravalomanana ny taona 2001 – 2002 dia teo ny MBS Radio ary nandefa mivantana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ireo zavatra maro nanamarika ny raharaha 2002 ary nipoitra teo ny hetsika hoe : Miara-manonja.Ny taona 2009 dia nitatitra sy nampisongadina ny hetsika notarihin’i Andry Rajoelina ny Viva Radio.Taona vitsivitsy izao dia maro ireo onjampeo manao fanadihadiana politika sy famakafakana ny toe-draharaham-pirenena, isan’andro no sady manome sehatra ny mpihaino amin’ny fanehoan-kevitra. Zavatra tena ilaina amin’ny firenena demokratika, misy ihany anefa ny fandrindrana tokony hatao mba hisorohana ny fihoaram-pefy mety hanakorontana na hampisavorovoro.
Pati
Legende : Fitaovan-tserasera anisan’ny mbola be mpanaraka eto Madagasikara ny Radio
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT