Teatra hafakely noho ny mahazatra no tetsy amin’ny CC ESCA omaly. Tanora kristiana no niaka-tsehatra. Ry zareo avy ao amin’ny FMTA Ambatonakanga
Piesy teatraly nolalaovina tamin’izany ny “Zanaka vavin’i Jefta” ; tantara nosaratan-dRajohnson Emile, pasetran’ny fiangonana. Nisy fizarana enina ny tantara, ary fitopolo mianady be izao no nandray anjara namelona ny tantara. Vakoka ny Tranozozoro raha teatra no resahina. Tao no nivoaka ry JJ Tseheno, Rasamoelijaona Wilson, Odette Suzana, Rasamy Gitara … Nanaporofo izany fa tompon’ny teatra ireto tanoran’ Antranobiriky Ambatonakanga ireto tamin’io omaly io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.