Tanora X Y Z

sy ben’ny tanàna ao Amoron’i Mania


  • Alarobia 04 Martsa 2026

Miantso fanendrena Lehiben’ny Faritra haingana

Mitaky ny fanendrena haingana ny Lehiben’ny Faritra ny tanora anatin’ny Gen X, Y, Z sy ireo Ben’ny Tanàna maro an’isa ao Amoron’i Mania. Tsy fangatahana tsotra izao izany fa tolona ho amin’ny fanavaozana sy fampandrosoana, hoy izy ireo. Amoron’i Mania dia manana tombon-dahiny manokana amin’ny velaran-tany midadasika azo volena, tanora maro sy mavitrika, manam-pahaizana betsaka amin’ny sehatra samihafa ary harena voajanahary sy ambanin’ny tany manan-danja. Na izany aza, mbola voasokajy ho isan’ny faritra faha telo farany amin’ny fandrosoana izy ka mila fampandrosoana haingana. Potika ny ankamaroan’ny làlana mampifandray Distrika sy Kominina, manjaka ny tsy fandriampahalemana, mbola ahitana soritra ny valan’aretina peste ary ambony ny tahan’ny tsy fananana asa. Noho izany, ny tanora sy ny mpitondra eo an-toerana dia manolotra olona mendrika sy mahafeno fepetra ho lehiben’ny Faritra, hoy ny antso avo. Nanoritsoritsoritra mason-tsivana mo aizy ireo toy ny hoe tanora matotra, voafidim-bahoaka amin’ny andraikiny amin’izao fotoana izao, olona mahay mampivondrona «rassembleur » na amin’ny politika na amin’ny fiarahamonina, manana traikefa manokana amin’ny fampandrosoana amin’ny maha-injeniera agronome azy, mahay fifandraisana na eto an-toerana na any ivelany, ankatoavin’ny Gen X, Y, Z, tohanan’ny Ben’ny Tanàna maro an’isa ary monina sy mipetraka ato amin’ny Faritra ka mahalala tsara ny zava-misy sy ny filàna,… Milaza ny ny Gen X, Y, Z Amoron’i Mania sy ireo Ben’ny Tanàna maro an’isa fa mangataka amin’ny fanjakana mba hanendry haingana ny Lehiben’ny Faritra. Tsy ho tombontsoa manokana izany fa ho fiarovana ny tolona sy fanohanana ny fanavaozana, ho an’ny fandrosoan’i Amoron’i Mania sy ny fiainan’ny vahoaka ao aminy, hoy ny antso avo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT