Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ireo kandida mpilatsaka hofidiana rehetra manerana ny nosy.
Ho an’ny antoko Tim Boeny ao Mahajanga dia ny fotoana hahatongavan’ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra sisa no andrasana dia raikitra ny fandresen-dahatra ireo mpifidy. Ireo tanora avy amin’ity antoko ity dia efa vonona ny hifanome tanana amin’ny kandida ao an-toerana amin’izao fifidianana ho avy izao. Porofo izany ny fandresen-dahatra ireo tanora namany amin’ny fampivoarana ny tanànan’ny kaominina Mahajanga izay misedra olana hatrany amin’ny fampidiram-bola. Ny kandidan’ny Tim ao Mahajanga José dia nilaza fa ny fotoana hahatongavany eo amin’ny fitantanana ny tanàna no ela fa ny vahaolana manoloana io dia efa eo am-pelatanany. Ny sabotsy teo dia vory lanona ireo mpikambana ny Tim amin’ny fampahanfatarana ireo kandida ao amin’ny faritra Boeny izay notronin’ny solontenan’ny filoha Ravalomanana. Na dia nisy aza, ny olana sedrain’ny mpanara-dia ny filoha teo aloha, hoy ny filohan’ny fikambanana dia efa niravona ny disadisa ary niray feo ny rehetra hampandany ny kandida natolotr’i Dada ho azy ireo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.