Tanora Malagasy

13 taona eo no miroso amin’ny firaisana ara-nofo


  • Zoma 12 Jolay 2024

Natolotry ny UNFPA (Fonds des Nations Unies pour la population) tamin'ny fomba

ofisialy tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly 11 jolay ny tatitry ny momba ny toe-piainan'ny mponina maneran-tany 2024 ho an'i Madagasikara, Nosy Maorisy, Comores ary Seychelles. Tafakatra 43% ny taha-pisitrahana sy fampiasan'ny mponina ireo fitaovana fandrindram-piterahana raha 5% tany aloha. Mampivarahontsana ihany koa anefa ny filazana, fa 13 taona eo amin’ny ankapobeny no miroso amin’ny firaisana ara-nofo voalohany ny tanora malagasy. Ho an’ny tanora 15 hatramin’ny 19 taona dia ny 30% mahery no efa niteraka, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fahasalamana, ka ny faritra Anosy no tena ambony io. Olana ara-pivelomana, kolontsaina nentin-drazana toy ny fampanambadiana aloha loatra no isan’ny mitarika ny vohoka tsy niriana, miteraka fahavoazana toy ny fahafatesana eo am-piterahana na reny sy zaza tsizarizary noho ny tsy fahampian-tsakafo. Mahatratra 8 hatramin’ny 9 eo ihany koa ny isan-jaza ankampobeny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, raha 4 eo ny salan’isa ho an’i Madagasikara. Anisan’ny tena hanaovana hetsika sy fanentanana noho izany ny any ka anisany ny fametrahana ny « CSB amis des jeunes », Tranoben’ny tanora,... Atao ireny hahafahana miresaka amin-kahalalahana momba ny firaisana ara-nofo, ny fisitrahana ny fandrindram-piterahana ary ny fanabeazana ny tanora sy ny vehivavy. Tsy any Atsimo ihany fa eto Madagasikara mihitsy, dia tsy ampy ny resaka sy fifanakalozana ao an-tokantrano momba ny fananahana, ka anisan’ny sakana ny fady, kolontsaina,… Mila tapahana ny fady sy ny honohono ary indrindra manan-jo amin’ny fisitrahana fahasalamana sy fandrindram-piterahana ny vehivavy, mba ho afaka hanapaka ny isan-jaza aterany, ny fotoana hiterahany, ary hampianatra ny zanany tahaka ny lehilahy, raha ny fanamarihana. Nanatrika omaly moa filoha Andry Rajoelina, izay notoloran’ny UNFPA ny taratasy fankasitrahana ho an’i Madagasikara noho ny filazana fa mpitarika mendrika momba ny maha-olona sy fandrindram-piterahana ity farany. Mitohy hatramin’ny rahampitso ny dinik’asa mifandraika amin’ny fitovian-jo ara-pahasalamanana sy ho an’ny fananahana, izay mivelatra amin’ny sehatra samihafa : tompon’andraikitra ara-panjakana samihafa, mpandala ny nentin-drazana, mpitarika fivavahana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT