Tanora ho an’ny fanavotam-pirenena

« Avereno amin’ny Malagasy tena tompon-tanindrazana ny firenena »


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Nitsangana ny Fikambanan’ny tanora ho an’ny fanavotam-pirenena,

izay miara-dia sy miray feo amin’ireo Raiamandreny ara-drazana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Milaza izy ireo, fa mivelatra amin’ny Faritany miisa 6, ary eo ihany koa ny Diaspora izay efa mifandray amin’izy ireo, ary misy anjara toerany ao anatin’ny Fikambanana, nasiana birao manokana. Hiara-dia ao anatin’ny tolona izy ireo, izay naneho fa mazava be ny zava-misy eto amin’ny Firenena. « Betsaka ny tsy mifanaraka amin’ny tena fiainam-bahoaka izay tena Malagasy eny ifotony, tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony, ary ny tanindrazana ihany koa dia iaraha-mahalala fa tsy tena Malagasy no mitondra azy, ka ny tolona ataonay voalohany dia hoe : avereno amin’ny Malagasy izay tena tompon’ny tanindrazana i Madagasikara », hoy ny Filohan’ity fikambanana ity Atoa Raolizon Anjarasoa. Mitaky ny fiverenenana amin’ny tany tan-dalàna ihany koa izy ireo, ka naneho fa rehefa tena miverina amin’ny tompony ny firenena, dia mazava ho azy fa miova manaraka an’izay makany amin’ny mety kokoa amin’i Madagasikara ny tolona. Nampahatsiahy izy ireo, fa vao nanomboka ny famoahana ny datim-pifidianana no efa nanipika fa tsy mety io, misy zavatra mila alamina,… Nilaza hanatrika ny fivoriam-be hotarihin’ny Raiamandreny ara-drazana ny 13-14 desambra izy ireo, ary miantso ny tanora manerana ny Nosy hiara-dàlana ao anatin’izany handinika sy hametraka tondrozotra hitondrana ny Firenena. Nilaza ho tsy manohana olona na antoko io fikambanana io, fa manohana ny finiavana hikaro-bahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT