Tanora 4 voapoizina teny Ambohimalaza

Nentin’ny mpanohitra natao EVASAN any Maurice


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Tanora 4 amin'ireo 7 sisa velona tratran'ny fanapoizinana

ara-tsakafo tany Ambohimalaza no nanainga omaly niaraka tamin'ny solombavambahoaka Randrianasoloniako Siteny, hitsabo tena any amin'ny Clinique C-Care, Nosy Maurice, raha ny fampahafantarana teny Ivato. « Miaraka amiko, Siteny, ireto tanora tratran’ny fanapoizinana tao Ambohimalaza. Fanampiana ireo tanora niharan’ny fanapoizinana teny Ambohimalaza. Hiaraka hiaina amin’izy ireo aho, izaho manokana sy tanora 4 amin’ireo 7 sisa velona. Tsy mora ny mikarakara ny diany ho any ivelany, saingy adidy ho anay ny mijoro ho fanavotana aina. Mafy loatra ny nanjo azy ireo. Raha ny fitantaran’izy ireo tamiko, dia efa tany amin’ny vavahadin’ny fahafatesana izy ireo, saingy mbola nomena vintana. Ny vavaka sy faniriana lehibe indrindra izao dia ny mba ho tonga soa aman-tsara sy tsy hisy fahasarotana ny fandidiana ary ho sitrana tanteraka izy ireo. Mangataka vavaka sy fanohanana avy aminareo rehetra izahay ho an’ireo tanora tsy manan-tsiny ireo. Aina Malagasy no sady fanantenan’ny firenena. », hoy io depiote avy amin’ny fanoherana io. Vao herinandro teo izay no nisy tanora iray hafa isan’ireo tratran’ny fanapoizinana teny Ambohimalaza dia i Tojo, nalefa ihany koa nitsabo tena any Maurice. Ny Fanjakana no miantoka azy amin'izany. Ny mpanohitra indray izany no niantoka ireo hafa. Zava-dehibe izany satria aina no resaka, saingy nisy moa ny fifandroritana sy fifanenjehana teo aloha teo, ary ny tsapa sy tsikaritra dia rehefa nilaza handray an-tanana ireo marary ny mpanohitra no nanapa-kevitra hitondra ny marary iray any ivelany ny Fanjakana. Somary tafiditry ny politika ihany, saingy ny zava-dehibe dia ny famonjena aina, ka irariana ho sitrana ireo marary. Raha hidirana lalina kokoa amin’ny lafiny iray, dia miharihary izany amin’izao fotoana izao fa tsy mahomby ny rafitra ara-pitsaboana eto amitsika, misy aretina sy tranga tsy voatsabo eto, tsy ampy ny fenitry ny hopitaly manara-penitra,… Firifiry ny Malagasy afaka mianton-tena hitsaboana tena any ivelany ? Rahoviana vao tena hohatsaraina sy hamoraina ny tontolon’ny fitsaboana sy fahasalamam-bahoaka ?
‎Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT