Omaly hariva tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany dia nisy olona maty hita teo ambany tetezan’i Tanjombato
Tovolahy manodidina ny 30 taona izy io. Raha ny fanazavana nomen’ny mpanasa lamba iray izay nahita ny zava niseho dia saika hamonjy ny satroka nanaovany lasan’ny rano izy io kinanjo fahafatesana no hita. Nanambara ilay nanatri-maso fa tsy fantatra marina anefa izay tena tian’ilay lehilahy atao satria nisy ihany ny hevitra natao saika hamonjena azy. Efa nifarimbona ny olona teo nanipy tady hisintonana azy fa tsy noraisiny izany fa vao mainka ny akanjony no nesoriny no sady niroso nanatona ny rano lalindalina hatrany izy ka nam pametra-panontaniana ny rehetra sao sanatria namono tena na koa tsy dia salama saina. Ny mponina teny raha nanontaniana dia nilaza tsy mahafantatra ity tovolahy ity. Marihana fa tsy nisy ny taratasy mety ahafantarana azy teny aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.