Tanimbarin'i Mahajanga

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana ny tanimbarin'i Mahajanga,

hoy ny mponina ao an-toerana. Vanim-potoanan'ny fialantsasatra toy izao moa dia tena maina, hoy ny fanazavana. Misy faritra sasany aza tsy fantatra intsony hoe aiza ny tanimbary? Ny ondry no mitangorona misakafo eo, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany dia marefo sy mila fitandremana fatratra ny tontolo iainana ao amin'ity renivohitr'i Boeny ity, hoy ny fanazavan'ny manam-pahaizana momba izany nandritry ny andron'ny tontolo iainana farany teo. Voalaza tao anatin'izany moa fa raha mitohy ny fanimbana tontolo iainana ao an-toerana dia ahiana ho safotry ny rano mihitsy ny torapasika manontolo amin'ny taona 2100. Mitohy hatrany, noho izany, ny fanentanana ireo olompirenena hanampy tosika izay fiarovana tontolo iainana ao an-toerana izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT