Tanety 60ha sy fiaramanidina 6 kila forehitra

Hafahafa sy mampiahiahy ilay tranga teny Ivato !


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Fiaramanidina madinika miisa 5 (4 marika Cessna, 1 marika PA23) sy angidimby iray

no may kila forehitra noho ny fahamaizana nitranga teny akaikin’ny « Piste » eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alarobia 19 novambra lasa teo. Tamin’ny 11ora sy 14 minitra teo no voalaza fa nanombohan’ny firehetan’ny bozaka, haingana dia haingana ny fihitaran’ny afo na niditra an-tsehatra aza ny mpamono afo, ary nandeha ny fanairana samihafa, niteraka olana hatramin’ny sidina tokony hidina teo Ivato. Mbola tsy fantatra, saingy heverina fa tsy nisy tetika ratsy voaomana mialoha, hoy ny seraseram-panjakana taorian’ny fivoriana maika nataon’ireo ny tompon’andraikitra rehetra avy amin’ny Aviation Civile de Madagascar - ACM, Ravinala Airports Madagascar, ASECNA, Zandarimariam-pirenena, Amarante ary ny sampan-draharahan’ny vonjy taitra, izay notarihin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Atoa Valéry Ramonjavelo. Nolazaina fa fiaramanidina efa tranainy tsy miasa intsony hatrany amin’ny taona 2012, ary tsy misy an’ny tafika, tsy araka ny resaka niparitaka nanomboka omaly maraina. Nahatratra 60 hekitara ny fahamaizana, ka nambara fa efa mandray ny fepetra rehetra ny tompon’andraikitra amin’ny fanarahana akaiky ny momba izany. Ny ACM no handrindra ny fanadihadiana, ary ny Zandarimariam-pirenena kosa no hanatanteraka ny fanadihadiana ara-piarovana sy ara-pitsarana. Nambara fa tsy nisy akony tamin'ny sidina iraisam-pirenena ity tranga ity, fa sidina anatiny telo kosa no sedran'ny fahatarana vokatr’izany. Nisy ihany kosa ny fiaramanidina dimy sy angidimby iray nirehitra vokatry ny doro tanety. Isan’ny fepetra noraisina ny famantarana sy fanalàna ireo trano fonenana manodidina ny fefin'ny seranam-piaramanidina satria tokony ho faritra Mena ny manodidina ny seranana ho fiarovana amin'ny loza tahaka izao, fangatahana mba hanara-maso akaiky ny faritra manodidina ny seranam-piaramanidina sy ny haavon’ny ahitra any amin’ireo toerana ireo ho an’ireo lehibe sy ny mpitantana ny seranam-piaramanidina tsirairay mba hisorohana ny mety ho loza ateraky ny afo.
HAFAHAFA SY MAMPIAHAHY
Somary betsaka ny zavatra somary mampiahiahy tamin’ity tranga ity satria toa niniana nosarontsaronana tany am-boalohany, ka raha efa ny atoandron’ny talata ny zava-doza niseho, dia efa taty amin’ny tolakandron’ny alakamisy vao nisy fampitam-baovao ofisialy mikasika ny fahavoazana. Ny Minisiteran’ny foloalindahy no namoaka voalohany fa tsy an’ny tafika ireo fitaovana may, izay vao nipoitra ny ACM,… Toerana stratejika be ny seranam-piaramanidina ary misy fenitra sy fiarovana manokana, saingy toa mampiahiahy ihany ny zava-nitranga hoe : dia mibanaka ve ny fiarovana ? Tena tsy vita ve ny niaro ny faharavana izay hita fa tena goavana ? Raha sanatrian’ny vava izany misy zava-doza toy ny asa fampihorohoroana izany dia ahoana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT