Actualités

Tandindon’ny rivodoza Freddy Mbola hitohy ny rotsak’orana amina faritra maro


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Tany amin’ny 190 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’ilay rivo-doza Freddy omaly hariva. 80 km isan’ora ny rivotra entiny ,

arahina tafiotra 110 km isan’ora. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny samoana mpamantatra ny toetr’andro dia mkisaka miatsinana somary atsimo atsinanana izy ka mahafaka 7 km isan’ora. Tombanana hanatona ny morontsiraky ny faritra atsimo andrefana i Freddy araka izany. Hitohy hahazo rotsak’orana betsaka ny faritra maro manerana ny Nosy noho izany izay hahatratra 50 ka hatramin’ny 120 mm. Ny tapany andrefana sy atsimon’ny Nosy no tena voakasik’izany hatramin’ny anio Alatsinainy. Tombanana tsy hiditra an-tanety moa ny ivon’i Freddy raha tsiahivina saingy mety ho voakasiky ny rivotra mafy entiny kosa ireo distrika maro any amin’ny Faritra Atsimo andrefana. Mikasika ny toetr’andro eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa mbola hisy hatrany ny ranon’orana hatramin’ny anio vokatr’izany fikorontanan’ny toetr’andro ateraky ny fandalovan’ny sisan’i Freddy izay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT