Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Tanandava Imerimandroso. Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no naolan’ny mpanotra azy, lehilahy iray izay efa 48 taona.
Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nahatsiaro ho reraka ity tovovavy ity ka nandeha niotra. Tsy izay anefa no zavatra nitranga fa tsy nahatana ny filan-dratsiny ilay Rangahy raha vantany vao nahita ny vatan’ilay zazavavy ka tsy namelany ity farany raha tsy vitany ny sitrapony. Tsy nanaiky mora foana ny zava-nitranga moa ny Ray aman-drenin’ilay voaolana fa nitory. Hita nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo rahateo fa dia tena simba tanteraka ilay zazavavikely izay marihina fa vao ao amin’ny taona fahavalo monja. Hatolotra ny fampanoavana ami’ity herinandro ity moa ny anaolahy aorian’ny fanadihadiana hatao azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.