Tampon-tanànan’i Betafo

Mampisavorovoro ireo mponina ny fitantanana ny rano


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Efa ho iray volana teo ho eo izao no fantatra fa naato tamin’ny asany ny orin’asa nitantana

ny rano fisotro madion’ny kaominina Ambonivohitra Betafo, hoy ny fampitam-baovaon’ny Vondrona mpiaro ny zo sy ny tombontsoan’ny mpanjifa Vakinankaratra na Garduc. Tsy fantatra mazava ny tena antony, hoy ny fanazavàn’ny mpandrindram-paritr’ity vondrona ity, Ratiariniaina Jean Theobert. Samy manana ny ambarany na ireo mpitantana ny rano na ny ao amin’ny kaominin’i Betafo na ireo anivon’ny fitantanana rejionalin’ny rano Vakinankaratra arahan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny rano akaiky, hoy izy. Ny fantatra dia mitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsaràna ireo nitantana ny rano tao an-toerana. Tsy te hanan-dratsy ny Garduc ka efa nandefa hafatra tao amin’ny kaominin’i Betafo hoe «tokony antsoina amin’izay dinika sy ambaratongan-dresaka rehetra amin’ny fifanarahana vaovao» mba tsy hampisy an’izay olana vaovao mety hitranga indray ao Betafo mikasika ny fitantanana an’io rano io. Niady mafy an’io resaka rano sy fitantanana rano tao Betafo io ny GARDUC vao nisy ny filaminana taty aoriana. Hatramin’izao, tsy mbola nisy izany fiantsoana ny solontenan’ny mpiaro ny zo sy ny tombontsoan’ny mpanjifa ao Betafo izany mba hiara-hidinika. Heno ihany nefa fa efa nisy ny dinika samihafa nataon’ny tao amin’ny kaominin’i Betafo sy ny ao amin’ny fitantanana rejionalin’ny rano ao Vakinankaratra ary ny solontenan’ny minisiteran’ny rano nanaovana ny tolo-bidy maimaika ihany satria dia 10 andro monja ary hoe orinasa miisa 2 ihany no namaly ny antso ka mampametra-panontaniana sy mampiahiahy. Efa fantatra ihany ny mikasika ilay orinasa tadiavina ampidrina amboletra hitantana ny ranon’i Betafo. Mangataka ny kaominin’i Betafo ny mpanjifa hanome fanazavàna marina amin’ny tena nanajanonàna tampoka ny mpitantana rano teo, izay efa nilamina tsara sy efa nahay nifanaraka tamin’ny mpanjifa. Avereno ny tolo-bidy ivelaran’ny orinasa rehetra ho maro isafidianana. Angatahana mba ho isan’ireo mpiara-midinika momba ny tombontsoan’ny mpanjifa ny GARDUC. Tsy ekena ny fampiakarana ho 1200 Ariary isaky ny m3 ny vidin-drano kasain’ilay orinasa tadiavina ampidirina amboletra, raha toa ka 1000 Ariary izany teo aloha. Tokony hidina aza izany sanda izany satria tsy miankina amin’ny JIRAMA io fa fitantanan’ny kaominina madiodio. Miantso ny tomponandraiki-panjakàna isan’ambaratonga, indrindra, ny minisiteran’ny rano, ny fitsaràna, ny Bianco ny GARDUC hanara-maso akaiky ny toe-draharaha. Efa mitaintaina izao ny mpanjifa hoe ahoana, raha midangana be ny faktioran-dranonay tao anatin’izay 1 volana tsy nisy mpitantana izay? Hidina hijery ny fivoaran’ny toe-draharaha izahay izao ka raha mbola tsy misy izay fandraisana andraikitra izay dia tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisina mifanaraka amin’izay. Fokontany miisa 4 eo an-tampon-tanàna amin’ny 13 ao amin’ny kaominin’i Betafo no misitraka io rano io isan-tokantrano ary misy koa ny sitrahan’ny rehetra. Rehefa tonga aza ny alatsinainy dia tonga misitraka izany avokoa ireo kaominina miisa 18 ao amin’ny distrikan’i Betafo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray mikasika ity fitantanana ny rano mampisavorovoro ireo mponina ao amin’ny kaominin’ambonivohitr’i Betafo ity.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT