Nisesy ny haintrano namoizana ain’olona tato ho ato. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa.
Tao amin’ny Kaominina Tameantsoa, Distrika Betioky Atsimo dia vehivavy iray, 35 taona, marary tsy afa-mihetsika eo am-pandriana no maty tsy tra-drano, may kila hotohoton’ny afo nandritra ny haintrano niseho ny sabotsy teo. Niezaka namonjy ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray 65 taona isany tao an-trano ary tafavoakany tamin'izany ny zafikeliny vao 2 taona. Samy may izy mianaka ireto, lehibe ny fahavoazana tamin’ilay zazakely. Nalaky niredareda ny afo, no ireo akora nanamboarana ny trano, mora mirehitra. Tsy tafavoaka tao an-trano ny zanany vavy 35 taona, noho ny hamafin’ny afo ka may tao. Niala nenina ny mpitsabo tao amin’ny CSBII ao an-toerana saingy tsy tana ny ain’ilay zaza noho ny hamafin’ny fahamaizana taminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.