Tambazotran-tserasera

Lasa saham-pisolokiana


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Zary lasa saham-pisolokiana goavana, efa an-taona maro izao, ny tambazotran-tserasera.

Nandeha tao daholo ry Antares sy ny tariny. Matetika tranga faheno koa ny fangalarana kaontin’olona entina hangatahana volabe amin’ny naman’iny olona sady hanalana baraka azy rahateo. Na endrika fisolokiana madinika na avo lenta dia hita ho saika mitoby ao avokoa, indrindra moa amin’ity be mpampiasa indrindra ity dia ny Facebook izany. Ny mahagaga dia maro ireo malagasy mikirakira azy itony no tsy mety fay fa mbola voajonon’izy ireny hatrany ary dia nahitana sy nahenoana izany indray moa ny vaovao niparitaka omaly. Nilaza ny lehilahy miisa 2 ny fiandohan’ity taona 2024 ity fa mpifehy na «maitre» an’ireo vola mankany amin’ny mpikambana ao amin’ny vondrona tantanan’izy ireo ka dia nibaiko vola iray gony ho any am-baravaran’ny isan-tokantrano hividianan’izy ireo trano, fiara, zava-tsarobidy samihafa saingy mila mandefa fanomezana any amin’izy rahalahy ireto anefa mialoha izany. Nanome laharam-pinday moa izy ireo no sady nanamarika fa mety tsy ho voavaly daholo ny antson’ireo mpikambana fa rehefa nanome am-pitiavana izy ireo dia misy fitiavana miverina amin’izy ireo. Arakan y fampitam-baovao voaray hatrany moa dia naiditra am-ponja izy mirahalahy ireto noho ny antony voalaza fa nanodinkodina zaza tsy ampy taona, izay zanaky ny mpikambana ihany. Andrasana indray, araka izany, ny tohin’ity raharaha izay sady mahatsikaiky no mampalahelo ity! Mbola hisy manaraka azy ireo hiforona sy hanjono olon-kafa indray ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT