Omaly no nandefa fiaramanidina manokana teto amin'ny BANI Ivato mba haka ny fanomezana avy amin'ny Fanjakana Malagasy ny Émirats Arabes Unis.
Tambavy CVO miisa 10.000 amin'ilay misoroka sy manasitrana no natolotry ny fitondrana Malagasy ho azy ireo. Tetsy ankilany, nanolotra fitaovana fiarovana ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana toy ny sur-blouse, gants, aro-vava, sur-chaussures ny Émirats Arabes Unis. Nanolotra fitaovam-pitiliana ny coronavirus TDR miisa 25.000 ihany koa izy ireo. Tsara tokoa no mandre fa mitombo isa hatrany ireo firenena mametraka ny fitokisany amin'ny Tambavy CVO eo anatrehan'ny fiatrehana ny ady amin'ny coronavirus. Saingy mipetraka ny fanontaniana: “Ahoana ny tohiny?” Raha tsiahivina, Senegal no nanafatra izany fanafody fanefitra izany voalohany ny 20 aprily teo. Ny 29 aprily dia anjaran` ny Guinée-Bissau no naka ny kaomandy ary nilaza hizara amin` ireo firenena mikambana eo anivon` ny CEDEAO. Ny 03 mey dia Tanzania sy ny Nosy Kaomoro. Tchad, Haiti sy ny hafa ihany koa dia nanafatra ity tambavy CVO ity. Ambetin-dresaka foana ny vokatry ny fiaraha-miasa sy ny firaisankinan` ireo firenena amin'ny ady iombonana amin'ny valanaretina coronavirus saingy tsy misy no milaza hoe manasitrana, na koa haka kaomandy vaovao. Ny azo ambara aloha dia lasa fanafody diplaomatika ny tambavy CVO satria dia nampiakatra ny lazan` i Madagasikara amin’izao tontolo izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.