Tambajotrana fahitalavitra amin’ny zanabolana

Hiato vonjimaika ny Parabole Madagascar


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

Nampahafantatra tamin’ny alalan’ny fanambarana

ofisialy natao ny 20 Oktobra ny orinasa Parabole Madagascar fa hanatsahatra vonjimaika ny asa rehetra ataony manomboka ny 31 Oktobra. Ity fepetra ity, izay antsoina hoe fampiatoana ara-pitantanana vonjimaika, tafiditra ao anatin’ny dingana ara-dalàna tarihin’ny manam-pahefana mahefa. Hiato ny asa rehetra amin’ny fampitana ireo fahilavitra, fitsinjarana, ary ny ara-barotra, mandritra ny fanavaozana anatiny manoloana ny fiovan’ny tontolon’ny haino aman-jery. Hatramin’ny nanombohany 25 taona lasa izay, naneho ny Parabole Madagascar fa nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fampiroboroboana ny fahitalavitra amin’ny alalan’ny zanabolana. Nampifandray tokantrano maro amin’ny fandaharana isan-karazany izy, ka nampifandrohy fantsona teto an-toerana, faritra, ary iraisam-pirenena. Noho ny fisiany manerana ny ranomasimbe Indiana, dia lasa sangany tamin’ny sehatry ny haino aman-jery izy, nanaraka ny fivoaran’ny fomba fanjifana fahitalavitra. Ao amin’ny fanambarany, dia nanamafy ny fitantanana fa tsy midika fanakatonana tanteraka ity fepetra ity, fa dingana fiovana sy fandinihana. Ny tanjona dia ny hanavaozana ny tolotra araka ny fandrosoan’ny teknolojia sy ny tontolo ara-toekarena eo amin’ny tsena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT