Actualités

Tambajotram-pifandraisana Feno halatra ka mila arahina akaiky


  • Alakamisy 17 Jolay 2014

Feno halatra ny tambajotram-pifandraisana eto amintsika, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny RNDC tarihin-dRabetsara Lita.

Tsy mitsaha-miakatra mantsy ny sandan’ny fifandraisana na amin’ny alalan’ny finday izany na amin’ny alalan’ny internet nefa tsy mahafa-po akory ny vokatra hatolotr’izy ireny. Efa nisy ny rafitra natolotr’ity fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity hitadiavam-bahaolana mifandraika amin’izany saingy tsy nisy mpihaino. Manao antso avo amin’ny mpanjifa izy ireo, araka izany, mba samy ho mailo. Anisan’ny ohatra noraisin’ny RNDC moa  ny fanaovana lalao amin’ny alalan’ireny antso an-tariby isan-karazany ireny izay  notsindriany fa feno halatra avokoa ao am-badika sady fanambakana ny mpanjifa. Ny fitondram-panjakana mihitsy moa,  hoy izy ireo, no tokony hahafantatra fa hiharan’ny tsindry hazo lena ny mpanjifa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT