Ny sabotsy 04 jolay 2015 maraina dia nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny fisian’ny olona maromaro mivezivezy mitondra rongony eny amin’iny faritra Alarobia Soavimasoandro sy Ambohimanarina iny
. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina tany an-toerana nanamarina ny vaovao. Voasambotra tamin’izany ny olona 8 mianadahy mpivarotra rongony mandehandeha ka vehivavy ny 5 ary vao 13 taona ny iray. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana fa eny Ambohimanarina no fividianany rongony ka 1.000 Ar ny iray “sachet” kely ary tsinjaraina dia amidy 500 Ar ny iray fonosana. Misy amin’izy ireo koa no efa tena mpamerin-keloka satria efa nisy nigadra teny Antanimora noho ny resaka fivarotana rongony ihany, dia izao niverina eny am-ponja izao indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.