TAMBAJOTRA MPISOLOKY AO MAROANTSETRA

Tratra ilay iray tena ati-doha, nadoboka any am-ponja


  • Alakamisy 25 Janoary 2024

Lehilahy iray 43 taona no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’i Maroantsetra

Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Analanjirofo ny 18 Janoary rehefa nahazoana fitarainana marobe fa mpisoloky. Raha araka ny fantatra dia tena henjana tokoa ity lehilahy ity amin’ny resaka fisolokiana no sady mahay miresaka. Natao ny velam-pandrika rehetra noho izany mba hisamborana azy ka tratra soa aman-tsara ny anaolahy. Mbola hita teny aminy ireo karazana vato sarobidy izay fitaovana iray entiny misoloky sy maka vola aman'olona. Nandritra ny fanadihadiana natao azy no nahafantarana fa ao anatin'ny tambazotra mpisoloky any amin’iny faritra Analanjirofo iny ny tenany ary anisan’ireo tena ati-doha mampikaikaika fatratra ireo mponina ao Maroantsetra mihitsy. Natolotra ny Fitsarana afak’omaly 23 Janoary moa ny anaolahy ary nadoboka am-ponja vonjy maika any an-toerana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana miaraka amin’ireo karazana vato tsy izy hakany vola aman’olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT